Ireo safiotran-Drapeto Sy Ny Volana, Ando Harinjaka

Rapeto, hono, dia vazimba lahy lava be, sady matanjaka tsy misy toa azy. Olona tia manampy ny vahoaka koa anefa izy ary tena tia ireo vady aman-janany ka tsy nisy tsy azon’izy ireo izay zavatra nangatahiny taminy.

Indray andro dia te hampifaly ireo zanany i Rapeto ka nikasa haka ny volana ho azy ireo. Efa nirian’izy roa vavy hatry ny ela tokoa,hono, mantsy izany hahazo ny volana mba ho atao kilalao izany. Niangavy tamin’i Zanahary hono izy hoe :

« Zanahary ô ! mba omeo ho ahy ny volana ho ataon’ny zanako kilalao. »

Tsy nanaiky, hono, anefa i Zanahary satria misy mponina mipetraka koa mantsy eny ka tsy azo atao kilalao ny volana fa fady ny maka izay an’ny hafa.

Niangavy mafy, hono, anefa ireo zanany ka tsy nahaleo azy i Rapeto. Nitsangana izy ary nihanika tendrombohitra ka naninjitra ny tànany haka ny volana. Vao nahakasika ny volana anefa ny tanany dia tezitra mafy ireo mponina tao ka namely diamanga ny handriny sady nihorakoraka hoe :

« Avelao fa tsy kilalao,
avelao fa tsy kialalao. »

Rehefa izany dia nipitika tery i Rapeto ka niampatra tamin’ny tany. Raha nahita izany ireo vahoaka dia nihevitra fa maty izy ka niharatra sy nihosotra tany mainty daholo ho mariky ny fisaonana.

Ikotofotsy kosa, hono, nahita tsara ny zava-niseho ary tsy nino hoe ilay diamanga nataon’ny volana dia hahafaty azy. Lasa izy nankeny akaikin’ny lohany teny ka nahita fa tsy maty akory izy fa mbola nihetsika ny hodi-masony. Safotra fotsiny izy vokatry ny diamanga nataon’ireo mponin’ny volana taminy. Hitan’Ikotofotsy koa, hono, fa nisy hazavana namirapiratra teo amin’ny handriny sy teo amin’ny tànany roa izay nahakasika ny volana.

Rehefa nahazo antoka,hono, izy fa tsy maty Rapeto dia nanatona ireo vady amanjanany ka niteny tamin’izy ireo hoe :

« Mangina leretsy fa aza tomany
Rapeto tsy maty fa torana ihany
Hitako tsara ny zava-nitranga
Tsy mahafaty azy raha izay diamanga. »

Tezitra tamin-dRapeto kosa, hono, Zanahary, raha nahita fa mbola naka ny volana ihany izy ka niteny taminy hoe :

« Nahoana no dia nanampatra loatra ny herinao ianao ka mbola nalainao ihany ny volana ? »

Nihiratra, hono, Rapeto ary namaly hoe :

« Tian-janako loatra izy ka izany no nakako azy. »

Teny ho eny koa,hono, i Ikotofotsy tamin’izany ka niteny tamin’i Zanahary hoe :

« Rapeto raha naka ny volana
Sanatria tsy filam-boa tsy ary
Fa fitiavana ireo ankohonana
Ho sambatra sy ho falifaly
Tsy fitiavana ny hisetrasetra
Fa fitiavana an-janany roa
Zanahary o ! meteza hitsetra
Fa sazio kosa i Ingory sy Soa »

Niantra azy Zanahary nony nahare izany saingy sorena tamin’izy mirahavavy zanany izay nandrisika azy hanao izao zava-padiana izao. Navadiny ho lasa ombimanga,hono, izy roa vavy ary lasa nifangaro tamin’ireo ombimangandRasoalao reniny.

Mba ho tambin’ny fihetsika nataon-dRapeto anefa dia tsy nanaiky ireo mponin’ny volana raha tsy monina eny amin’izy ireo izy ka mitantara angano sy mitendry valiha ho azy ireo isan-kariva alohan’ny hatoriany. Efa ela koa mantsy no nitsiriritan’ny volana ny fahaizan’i Rapeto mitendry valiha. Izany no ahitantsika azy mitendry valiha eny rehefa fenomanana iny ny volana.

Naniry ny hanome tsodrano an-janany izy,talohan’ny handehanany, sady saika hampiseho azy ireo ny dian’ny volana niraikitra tamin’ny tanany. Ireo zanany anefa efa lasa ombimanga ka notsofiny rano avokoa ireo ombimanga rehetra.Nanainga ny tànany roa nisy namirapiratra izy ka natodiny tany amin’ireo ombimanga izany sady nitsodrano azy ireo hahery sy ho ela velona izy. Rehefa notarafin’ilay mamirapiratra tamin’ny tànany, hono, ireo ombimanga dia lasa be loha be sady nihalava sy nihavaventy koa ny tandrony.

Nanafatra an’i Ikotofotsy sy Rasoalao vadiny koa izy avy eo ka nanao hoe :

« Ambeno tsara ireo ombimanga ireo fa ireo no harena masina indrindra, misy ampahany avy aty amiko ao anatin’ireo satria efa notsofiko rano sady zanako ireo. Safiotra olombelona ireo fa tsy toy ny omby rehetra. Ampandreneso aloha aho raha misy mikasa haka sy hiompy azy ».

Izany, hono, no nahatonga ireo mpanonta tsy maintsy miangavy amin’i Rasoalao sy Ikotofotsy rehefa haka ombimanga. Aorian’izay vao mampandre an-dRapeto amin’ny alalan’ny siotsioka Ikotofotsy.

Tamin’izany Ikotofotsy rehefa misy mpanonta haka ombimanga dia mirehaka erỳ manao hoe :

« Ny ombimangan-dRasoalao
Safiotra avy tamin-dRapeto
Raha mitetika ny haka azy ianao
Tongava aloha eto amiko eto
Manan-kasina ireo manan-jina
Harenany , menaky ny ainy
Ndrao heverinao zaza tsy tiana
INGORIMANGA SY ISOAVOLANDRAINY !?
Tsy ho azonareo mora izany
Ny ombimanga izay karakaraiko
Raha tsy izaho izay mpiambina ihany
No miteny sy manome baiko »

Ankehitriny, hono, dia niparitaka nanerana an’iny faritra Antsakalava rehetra any ireo ombimangan-dRapeto sy Rasoalao ireo. Mpiompy omby ny ankamaroan’ny mpamokatra amin’iny faritra iny.

Rehefa avy nanafatra farany an-dRasoalao sy Ikotofotsy ary nanome tsodrano ireo ombimanga Rapeto dia lasa nanefa ny trosany teny amin’ny volany niaraka tamin’ny valihany. Nandefa taratra mazava be nanomboka teo amin’ny lohan’i Rapeto ka hatreo amin’ny tongony ny volana ka iny no nisintona azy hiakatra teny aminy. Nataon’ny volana toy izany koa ilay valiha nipetraka teny an-tampontendrombohitra ka nitsingevana nanaraka azy.

Misy fotoana, hono, Rapeto malahelo an-janany ka midina ety an-tany ihany fa tsy mankany ampovoan-tanàna izy. Efa feno trano marobe, hono, any sady maloton’ny setroky ny fiara sy ireo orinasa isan-karazany ny rivotra ka tsy mety aminy intsony. Rehefa miverina ety an-tany izy dia mijoro any an-dranomasina any.

Takariny amin’ny tànany avy eo ireo ombimanga zanany miafina any anaty ala ary entiny milalao rano any. Izany, hono, no ahitan’ny olona omby mivoaka avy anaty ranomasina indraindray. Angano angano, arira arira…